Ampidiro aloha ny tenimiafina
OMEO FITONIANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO FITONIANA Omeo fitoniana
ny fiainako
no fiangaviana
itarainako.
Omeo fitoniana
ny tomany
tsy ho fijaliana
eto an-tany.
Omena fitoniana
ny alahelo
tsy ho hakiviana
misy avelo.
Omeo fitoniana
ny sedra be
tsy ho fanaviana
ny mandeha.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
