PEJIN'NY TANTARA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PEJIN'NY TANTARA




Pejin'ny tantara
sarotra hadinoina
no mba niafara
tany ka novonoina.



Pejin'ny tantara
nahafinaritra teny
tokony ho hara
raha ory ombieny.



Pejin'ny tantara
nisy porofom-pitia
namelona tsara
antsika tsy hikodia.



Pejin'ny tantara
tsy azo dinganina
fa voakarakara,
na toa nahafanina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
567 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 14/07/2024 21:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133