RAHA HO ANY IANAO... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO ANY IANAO...





Ento any aminy any
ny amboara tononkalo ;
lazao azy ny hatsarany
no tsy azony atakalo !




Raketo azy fa ny aty,
manoratra tsy miato ;
mandehana ka ny dia,
halaviro ny harambato !




Tonony aminy mora
ny vavak'ilay poety ;
andeha re ka mizora
sao ao tsy metimety !




Ambarao fa ny teny
efa hita fa miserana 
fa ny soratro ombieny
no eto ho fanaperana !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1605 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0562