RAHA METY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA METY




Raha mety aminao
ny fikasana etoana,
'ndeha re, tanteraho
am-pahazotoana.



Raha mety aminao
ny fitia nambarako,
'ndeha re, katsaho
ho hasambarako.



Raha mety aminao
ny tanjona nomena,
'ndeha re, ampiasao
hitondra fandresena.



Raha mety aminao
ny fiarahantsika roa,
'ndeha re, angataho
ho tanteraka tokoa.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121