RAHA TIA AHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TIA AHYRaha tia ahy ianao,
tsy teo ny disadisa
tsy nilaina raha vao
nanan-toky nikorisa.
Raha tia ahy ianao,
tsy nisy ratra akory
izay nifamahofaho
fa dia nitondra tory.
Raha tia ahy ianao,
tsy alahelo marina
no maro tao ho ao
fa afa-nampiarina.
Raha tia ahy ianao,
nikatsaka ny tiako
fa tsy nivoy raorao
mbola ho fijaliako.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
