RAHA TSY NIOVA KOSA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TSY NIOVA KOSA...





Raha tsy niova kosa ny tiako rehetra rehetra,
tsy ilaiko akory raha mbola any no mitoetra ;
raha latsalatsa foana no atsipy tomandavana,
aleoko dia misintaka, na misy izay fitiavana.




Raha tsy niova kosa 'rony esoeson-teny
mandratra lalandava izay mety tato anaty,
tsy ilaiko intsony ny hahita eto ombieny
'rony adiady maro tsaroako lany daty.




Raha tsy niova kosa ny andro izay mandalo
hitondra hirahira ho an'ny foko malahelo,
aleoko ange, re olona, na toa mamelovelo
hijanona tokoa mba hivetso izay mikalo.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
772 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114