RANOMASO LATSAKA FOANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASO LATSAKA FOANA




Ranomaso latsaka foana
no tonga, ry papa malala,
ka alahelo no manoloana
tsy vonona ny mba hiala.



Ranomaso latsaka foana
fa mifoha ny lasa rehetra
manamaloka ny fotoana
amin'ny sento sy tsetra.



Ranomaso latsaka foana
fa tiana ny ela niarahana
matoa aho re tsy moana
milaza ny eto mibahana.



Ranomaso latsaka foana
fa manina anao ombieny
ka mitaditady, na ahoana,
ny andro maro tsy miteny.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 27/03/2026 09:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126