RANOMASO RARAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASO RARAKA





Ny ranomaso raraka
'zay ela be izay,
tsy afa-nampiaraka
antsika ho iray.




Ny ranomaso raraka
nandena ny tory,
mbola nampisaraka
f'efa nampahory.




Ny ranomaso raraka
noho ireny ratra,
saika naha-tararaka
fa nivatravatra.




Ny ranomaso raraka
tonga mangina,
jereo, mampivaraka
'tony fo nariana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
534 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118