REHEFA HAJAINAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HAJAINAO




Rehefa hajainao ny zavatra tsy tiako
sy omenao vahana izay zavatra iriko,
amin'izay fotoana izay ny fo feno jaly
ho tretrika tokoa sy mbola hoe voangaly.



Rehefa hajainao ny zavatra tsy tantiko
sy tandremanao tsy hanonja ato anatiko,
amin'izay fotoana izay ny tena ahiahiko
ho potika sy rava hampitony ny fanahiko.



Rehefa hajainao ny zavatra tsy zakako
sy ataonao izay hampisosa ny lakako,
amin'izay fotoana izay ny voizina irery
hanafaingana ny dia no sady tsy hamery.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117