REHEFA IFAMPIZARANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA IFAMPIZARANA




Rehefa ifampizarana
ny zava-drehetra
dia tsy ho hay rarana
ny soa te hitoetra.



Rehefa ifampizarana
ny fiainana misy
dia mbola higagana
ny vazon'ny lisy.



Rehefa ifampizarana
ny ahiahy ireny,
handositra tsy tana
ny fijaliana teny.



Rehefa ifampizarana
ny alahelontsika,
ho moramora hialana
ny ratra nasiaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115