REHEFA MAKA TOERANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MAKA TOERANA





Rehefa maka toerana
ny alahelo ato am-po,
tsy misy fanaperana
ny sento izay manjo.




Rehefa maka toerana
ny disadisa nanadala,
mitranga ny fitserana
sy toa tsy mety miala.




Rehefa maka toerana
ny ratra hatramin'izay,
tsy tsapa ho miserana
fa mamely eto indray.




Rehefa maka toerana
ny Lasa izay tsy tiana,
misy ihany fiheverana
mankany am-pijaliana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
958 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115