REHEFA MIVADY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MIVADY




Rehefa mivady
ny fitiavana,
hitaona sahady
fa goavana.



Rehefa mivady
ny fikasana,
hitsiky no sady
ho hazavana.



Rehefa mivady
ny fihafiana,
tsy mba hitady
ny hakiviana.



Rehefa mivady
ny alahelo,
ho any an-kady
ka ho helo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
648 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.025