REHEFA TSY METY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY METY




Rehefa tsy mety
'zay zavatra vita,
hanjary vetivety
tsiny no ho hita.



Rehefa tsy mety
ny fifanarahana
dia ho avy hitety
ny fifanebahana.



Rehefa tsy mety
ny hiray tarigetra,
ho nofy ny hifety
ho an'ny rehetra.



Rehefa tsy mety
ny fifankatiavana
dia hisosa ho ety
ny mba hihavana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
463 1
Fans: ZavonaRakoto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0289