REHEFA TSY VITANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY VITANAO




Rehefa tsy vitanao
no nanasoa ny tena
dia veloma fa izaho,
nizaka be tangena.



Rehefa tsy vitanao
no nanala ny tsiloko
dia aleo re handao
fa tsy mba faniloko.



Rehefa tsy vitanao
no nanova ny lasako
dia aza eny be lazao
fa toky no andrasako.



Rehefa tsy vitanao
no nitondra ny tiako
dia ireo fosa, avelao
fa ny nisy, ikimpiako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
573 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114