Ampidiro aloha ny tenimiafina
SAHINAO (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHINAOSahinao ny nandrava
ny fiarahana tsy foiko
ka alahelo tsy misava
no mahory sy koloiko.
Sahinao ny nanimba
ny anjara tsy hiverina
ka dia nanimbazimba
ny ora rehefa heverina.
Sahinao ny nisintaka
nanadino itony voady
fa tianao ny namitaka
ka aleo ange tsy hiady.
Sahinao ny nanorina
fiainana hafa hatreto,
narary rehefa tsorina,
na ahoana, eritrereto.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
