Sao (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAOAhoana no anekeny
ny lainga tsy nanarina ?
Ahoana no amboleny
ny zavatra tsy marina ?
Ahoana no tanisany
ny tory nampangitaka ?
Ahoana no itokisany
ny vola be mpamitaka ?
Ahoana no ifaharany
ny toky tsy tanteraka ?
Ahoana no tsisy farany
ny ady nampandreraka ?
Sao, lahy, dia hafetsena
mbola rako-pamonjena ;
sao, lahy, dia hafaliana
'zay indramina mangina ;
sao, lahy, dia hasambarana
mbola mila fanamboarana ;
sao, lahy, dia tombon-tsoa
ireharehana nefa moa...
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: