Ampidiro aloha ny tenimiafina
SATRIA AHO NITIA... (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA AHO NITIASatria aho nitia dia tsy noraharahina marina,
navela ho kamboty sy ny sisa tiako hitarina ;
satria aho nitia dia nolazaina ho hafetsena,
tsy nahina akory raha nanan-pahendrena !
Satria aho nitia dia nambara hoe : adala,
tsy nandaniana rora fa tsy zanaka malala ;
satria aho nitia dia nambanina tsisy farany,
nozonina mihitsy hahafaty 'tony anarany !
Satria aho nitia dia nizaka tsy eran'ny aina,
tsy navela hahatoky fa manana antenaina ;
satria aho nitia dia tsy nitsahatra nijafa,
navela hiaina teny sy toy ny olon-kafa !
Satria aho nitia dia tsy nisy dikany taminao,
navela ho singan-drery sy ho ory lava izao ;
satria aho nitia dia tsy novohaina varavarana,
nesoina lalandava fa tsy zaza nisasarana !...
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Mpakafy:
booboo
