SERINY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SERINY Seriny aho ho any
hihaonana indray,
na nidina ambany
ireny toky fahizay.
Seriny aho ho any
hahita soa tsy foy,
na nahakivy ihany
ny setrasetra fohy.
Seriny aho ho any
hiresadresahana
ny ela fa tsy lany
ny fitia niarahana.
Seriny aho ho any
hitaditady vaovao
fa marina hatrany
ilay alahelo anao.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
