TAFATSANGANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFATSANGANA




Tafatsangana ny Tompo
ka mba nahazo fitahiana ;
misosasosa itony kompo,
tobaka eto ny hafaliana.



Tafatsangana ny Tompo,
tonga koa ny fandresena ;
rarak'ompana ny dompo,
n'aiza n'aiza, famonjena !



Tafatsangana ny Tompo
ka miderĂ , ry olombelona ;
irariana ho toy ny jompo
ny fitiavantsika velona.



Tafatsangana ny Tompo
ka misaora re ombieny ;
mivezivezy itony ompo,
ny dera, ny laza lavareny.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
951 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122