TAMBIN'NY JALY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMBIN'NY JALY





Tambin'ny jaly
dia hahavariana
rehefa hamaly
an'ireo faniriana.




Tambin'ny jaly
dia hahafinaritra
hitana molaly
ho hita haharitra.




Tambin'ny jaly
dia ho rindra iray
tsy nisy omaly
ka tadidio re izay.




Tambin'ny jaly
dia ho soa maro
be taona faly
hahasaro-piaro.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/09/2026 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124