TAMINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMINAO





Taminao no naniry ny fitiavako,
ny hafaliana sy ny fahasoavako,
ka ny ora be adin-tsaina lalina,
foana teo sy nanova ny alina.




Taminao no nitoetra izay kinasa,
ny nofinofy mamy sy izay lahasa
ka ny toky maro efa niorim-paka,
nahamirana ahy sy nahazo laka.




Taminao no najoroko ny hoaviko,
izay hafanana mbola notadiaviko
ka ny hirantsika nampiray fitia,
hirahiraiko haharitra ho doria.




Taminao no nipoitra ny fiadanana,
ny tarigetra tsy sarotra nananana
ka ny hafatrafatra efa tsy zoviana,
taminao koa no nahitako fitahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1153 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119