TANY NAHATERAHAKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANY NAHATERAHAKO





Tany nahaterahako
i Madagasikara
ka mbola ivavahako
ho firenena tsara.




Tany nahaterahako
iriko ery hiadana
tena ho fahazavako
hiseho miadana.




Tany nahaterahako
mbola sarobidy
tsy hitsakitsahako
fa mitaky adidy.




Tany nahaterahako
nipoiran'ny fitia
ka nosy amaharako
ny foko ho doria.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
9 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/08/2026 03:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012