Ampidiro aloha ny tenimiafina
TAPAKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPAKARano tapaka
ka asio vavaka
hiverina indray
no hafatra iray.
Jiro tapaka
ka 'zay lavaka
tsapatsapaina
vao dikaina !
Vola tapaka
ka tsy ravaka
indrisy tokoa
no misy moa.
Fety tapaka
ka ny hiavaka,
nofinofy ange
misy sento re.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana - Fiononana - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
