TETO AN-JARIDAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TETO AN-JARIDAINA





Rivodrivotra malefaka no mitsoka moramora :
rivodrivotra mafana sy mampisento isan'ora ;
voninkazo toa marevaka, zaridaina tsara bika
no mampihetsika ny foko, oriory sy sariaka.





'Reo vorona mihira, ny masoandro be mitaratra,
mandravaka avy hatrany ny lanitra tomaratra ;
iretsy hazo iretsy, irony havoana irony,
mampidoboka ny fo tsy hitsiky intsony.





Ry rivotra miserana !...Ry andro izay mandalo !
Mamely ny hanoanana ka dia eto sy mimalo ;
ry olona mitsidika !...Ry hany zaridainako !
Misy haizina ange ao ambadiky ny fiainako.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1186 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 29/12/2007 21:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126