TIAKO KOKOA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO KOKOA





Tiako kokoa
ny morom-parihy
rehefa ory sy voa
ary toa tsisy dihy.




Tiako kokoa
ny hijery tatamo
rehefa miandoha
'tony hamohamo.




Tiako kokoa
ny tsikiny foana
hampiova tokoa,
na tsy tafahaona.




Tiako kokoa
ny ho eo anilany
rehefa kotsa koa
ny maso fa silany.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
519 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 02/09/2019 19:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0243