TSARA TAREHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARA TAREHYTsara tarehy ny tranony
fa tsy toy izany ny fanahy
ka iampitako ny ranony
hisintahana fa naneso ahy.
Tsara tarehy ny fiarany
fa tsy toy izany ny toetra,
hiharatsy iny anjarany
rehefa ho ory manjoretra.
Tsara tarehy ny bikany
fa tsy toy izany ny tantara,
ho faty tsy hisy dikany
itony anarany any am-para.
Tsara tarehy ny lazany
fa tsy toy izany itony sainy ;
ny tena re tsy tazany
fony nitady ny holalainy !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
