TSARA TSODRANO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARA TSODRANO




Tsara tsodrano
rehefa handeha,
ny hanganohano
dia resaka ange.



Ekena tanteraka
ny safidy mahery
tsy mandreraka
sy tantiko irery.



Apetrako etoana
ny tantarantsika
'zay nandoroana
ny mahasariaka.



Ny veloma sisa
no ataoko anio
fa tsy hitanisa
ny ela, tadidio !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
218 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/07/2024 17:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233