TSIPAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIPAKA





Tsipaky ny miala aina
ka tia manakorontana
sao tsy azo antenaina
ny kendreny havotana.




Tsipaky ny miala aina
ka manao izay ho afany
sao ho omby mangaina
sy aely ange ny jafany.




Tsipaky ny miala aina
ka dia nahavaky takotra
sao ny soa narahabaina
tsy ho avy handrakotra.




Tsipaky ny miala aina
ka mipoitra etsy sy eroa
sao ho hafa ny maraina
rehefa indro fa mifoha.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
588 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114