TSY ADALA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ADALA





Tsy adala akory ny olona
raha misy indray ny tolona
fa mihamafy re ny fiainana
tsy ilaozam-panaintainana.




Mba diniho ny vidim-bary
fa miaka-dava mankarary
sy mahaketraka isan'andro
vao eo Ingahy masoandro.




Jereo indray moa ny sosialy
fa n'aiza n'aiza, mampijaly ;
mipoitra ho azy sy igagana
'zay ambara ho fahantrana.




Saintsaino koa ny vola be
toa tsy hitahita fa mandeha
nefa maro no tsy mihinana
miandrandra fanambinana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1459 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0274