TSY AFA-MANOATRA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AFA-MANOATRAAlahelo no mamely
te hampiteny loatra
iny lasa, na dia kely
ka tsy afa-manoatra.
Ahiahy no mironga
mila ho tafahoatra
fa moramora tonga
ka tsy afa-manoatra.
Nofinofy no mitana
izay natao hivoatra
fa izay dia norarana
ka tsy afa-manoatra.
Fitia no mahasarika
sy afa-nanamboatra
f'ianao tsy voatarika
ka tsy afa-manoatra.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
