TSY AMINAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AMINAO





Tsy aminao
ny krizy
ka milalao
izaitsizy.




Tsy aminao
ny mafy
ka toy izao
ny atafy.




Tsy aminao
ny noana
ka be tsaho
eny foana.




Tsy aminao
ny haizina
ka ao ho ao
hofaizina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
557 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121