TSY FANTATRO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FANTATRO Tsy fantatro izay mahazo
fa toa misamboaravoara
ny ao anaty tsy ampy vazo
lavitra anao raha ambara.
Tsy fantatro izay mitranga
fa manimanina, manoratra,
ka ny injao manangasanga
dia alahelo foana, ohatra.
Tsy fantatro izay mamely
fa lasam-borona aho ange ;
tsy iainako eto, na dia kely
ny hitsiky indray mandeha.
Tsy fantatro izay mandefa
ny embona eto lalandava
fa tsy, sanatria, mirefarefa
ny amintsika, na dia rava.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
