TSY HO AZONAO NY FOKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO AZONAO NY FOKO





Tsy ho azonao ny foko
nisento vao voafitaka,
na be aza ireo toloko
'zay tsy mampibitaka.




Tsy ho azonao ny foko
nomenao fandaingana,
na dia rehefa hanjoko
hivetso tsy hay rarana.




Tsy ho azonao ny foko
nahazo fahambaniana,
na mbola tsy ninoako
sy mba nitomaniana.




Tsy ho azonao ny foko
novelezim-pandatsana,
na fiainam-bokovoko
no mbola mafampana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1006 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012