TSY IANAO AKORY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO AKORY




Tsy ianao akory
no ilaina lalandava
mba hanala sorisory
sy hamerina ny rava.



Tsy ianao akory
no tadiavina mangina
ka afaka hampamory
'zay mety ho fifaliana.



Tsy ianao akory
no andriko eto an-tany
ka mahay mitondra tory
rehefa sento sy tomany.



Tsy ianao akory
no tiako ho hasambarako
rehefa indro mba tsy ory
sy mitsiky ireo anjarako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1223 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0171