TSY IANAO IRERY AKORY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO IRERY AKORY






Tsy ianao irery akory no voninkazo misy
mbola ilaina hotiavina fa feno koa ny lisy
handravaka ny fo sy hamelona ahy mangina
‘reo karazan-tsangitsangy tsapa ho fifaliana.




Tsy ianao irery akory no mba tovovavy hita
ilaina koa ho namana sy nirina hiara-mita
fa misimisy ihany, tsy haiko intsony ery
na amin’iza indray no mikasa hiara-dia.





Tsy ianao irery akory no reko ho tsiazonafo
manjamanja etoana sy azo ambara ho lafo
fa misy foana ange ny miandry lalandava
mahay mikalo, tsy manan-tsaina handrava.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1339 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117