TSY MAHAZAKA NY MARINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAHAZAKA NY MARINA





Tsy mahazaka ny Marina
ka tsy tsara saina ;
tsy hay anarina
ka miferinaina.




Tsy mahazaka ny Marina
ka manakorontana ;
tsy azo amboarina
fa aleo ongotana !




Tsy mahazaka ny Marina
ka tsy tafapetraka ;
vao nikasa hiarina
dia indro ketraka.




Tsy mahazaka ny Marina
ka dia mibolisatra ;
tsy tiako hitarina
fa tsy mihisatra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
800 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2038