TSY MARINA, KAY ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MARINA, KAY !





Tsy marina, kay,
ny fitiavanao ahy
matoa tsy voaray
ny tokim-panahy.




Tsy marina, kay,
ny hanandratana
ny talentako izay
andry mivantana.




Tsy marina, kay,
ny hamohazana
ny tigetrako iray
fa fahavoazana !




Tsy marina, kay,
ny hanondrotana
ny tenako hahay
fa ho korontana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
840 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.027