TSY MISY HAKAMOANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY HAKAMOANA




Tsy misy hakamoana
mitera-pahombiazana
fa mainka famonoana
ny kiry, na dia mazana.



Tsy misy hakamoana
ahitana fahasoavana
fa indro fanompoana
torimaso ho goavana.



Tsy misy hakamoana
mitondra fandresena
fa, na aiza, firosoana
ho an'ny faharesena.



Tsy misy hakamoana
manainga zava-tsoa
fa lalam-pandotoana
ny hoavy ho ratsy koa.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
178 1
Mpakafy: TSIMALAHY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/10/2025 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115