TSY NORAHARAHINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NORAHARAHINY




Tsy noraharahiny
ny fahasarotam-piaroko
ka resy izao izy iny
no kivy...Tsy voaaroko !



Tsy noraharahiny
'zay mba fitiavako azy
ka tsy omeko tsiny
raha mijaly toa voasazy.



Tsy noraharahiny
'reo dina nifanomezana
ka voa ankehitriny
vao saika nihomehezana.



Tsy noraharahiny
'reo zavatra natolotro
ka lasa toa vahiny
sy tsy hain'ito molotro.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
994 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127