TSY TE HIJALY INTSONY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TE HIJALY INTSONYTsy te hijaly intsony
ny foko nosedraina
fa mikaroka ora tony
vao avy ny maraina.
Tsy te hijaly intsony
fa mila fiainam-bao
mampihataka irony
ambara ho raorao.
Tsy te hijaly intsony
fa mitomany zavatra
tsy hiainan-donilony,
hampiova ny lahatra.
Tsy te hijaly intsony
fa hihoa-pefy ny soa
sy ho hafa ilay vony
tsy hanam-paharoa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
