TSY TSAROANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TSAROANA





Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy andraikitra
mameno sy ahazoana
fitoniana miraikitra.




Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy rindra soa
'reo lahasa izay inoana
hahombiazana tokoa.




Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy fihavanana
mbola azo andokoana
'zay lalam-piadanana.




Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa eo ny olon-tiana
mivimbina haravoana
tena misy hamamiana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
492 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119