VALIHA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIHA Valiha no tendrena mora,
onjam-pitia fony tanora
anio no mipololotra be
hafahafa misisika ange...
Ianao no mba eritreretiko,
rima no mbola rafetiko,
alahelo no misy etoana,
ny lasa no eto tsaroana.
Alakaosy mandrakizay !...
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana