VARAVARANA NIHIDY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VARAVARANA NIHIDY




Varavarana nihidy
no nivantanako tany,
indrisy, ka tadidy
ny fosafosa hatrany.



Varavarana nihidy
tsy nirina hovohaina
vao natao safidy
ny tsy ho tsara saina.



Varavarana nihidy
nampijaly ny fotoana
nitondrana ngidy
sy tena nahamoana.



Varavarana nihidy
tsy nahalalana vonjy,
tsy mba tia adidy
fa mpitoraka kijonjy.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
378 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121