VELOMA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA



Maninona, ho'aho, izato tany,
tahaka izao sy maizin-dava ?
Rahoviana no tsy ho tomany
no ho avy sy mba hanazava ?


Nahoana no rako-tomany
'zato fiainana manorisory ?
Nahoana, rahavako, izany
fa ny foko no ory dia ory ?



Nankaiza ny hoe : fifaliana
no tomany no sisa efaina ?
Nahoana no nampijaliana
'ty foko toa lasa nangaina ?



Naninona ireo kalontsika
navadika ho kalo nangidy ?
Rahoviana no hamjopiaka
ny lahatra sy izay safidy ?



Ho anao no nantenaiko
kanefa dia lasan'ny hafa ;
veloma, veloma, ry aiko,
fa ny foko no sisa mijafa.


Fredy JAOFERA
(1985)
--------
Lien:
1634 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116