Ampidiro aloha ny tenimiafina
VETIVETY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETIVETYVetivety monja
no nahitako anao,
ry ela tsy hita maso,
dia indro fa nanonja
ny tao am-poko tao
nitaditady andraso !
Dia tsy niova mihitsy
'zato bikabika tiana
hatramin'izay tokoa,
ka na ireo hira vitsy
mamy nangingina
dia mbola nifoha !
'Lay ianao omaly
no nahatazana ahy
tamin'iny toerana iny,
ka moa tsy falifaly
ny fo aman-panahy,
na any ilay fahiny !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
