VITSIKA MOMBA KITAY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VITSIKA MOMBA KITAYVitsika momba kitay
ka injao lasa vinany
sy indro mangaihay
fa manina ny akany.
Vitsika momba kitay
ka embona no tonga,
mamelona eto indray
ny lasa sy somonga.
Vitsika momba kitay
ka oriory toa vahiny :
miredareda sy mivay
ny tsiaron'ny fahiny.
Vitsika momba kitay
ka mahazo fanaviana
fa lavitra toa tsy hay
iny tanàna niaviana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Hanina - Fahatsiarovana - embona - Tanindrazana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
