VOALOHAM-PITIAVAKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOALOHAM-PITIAVAKO





Voaloham-pitiavako
ianao ange, rahavako,
ka mbola ho tantara
hifoha any am-para !




Voaloham-pitiavako
raha mbola finiavako
anio hampahatsiahy
izay nahatretrika ahy.




Voaloham-pitiavako
nanjary fahasoavako
ka sarotra hadinoina
raha indro re kaloina.




Voaloham-pitiavako
raha maro ny vavako
izay mandavataona,
na tsy afa-mihaona.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/07/2026 22:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114