VONINKAZO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZOTsy ianao irery akory no voninkazo misy
ilaina hotiavina eto fa maro koa ny lisy
handravaka ny fo sy hamelona ahy mangina
'reo karazan-tsikitsiky lazaina ho fifaliana !
Tsy ianao irery akory no voninkazo hita
ilaina jerijery sy mba nirina hiara-mita
fa feno koa ny raozy ka tsy haihaiko ery,
na amin'iza indray no mikasa hiara-dia !
Tsy ianao irery akory no voninkazo pika
mamiko aok'izany ambara ho tsara bika
fa mbola misy foana ny miandry lalandava
mahay mikalo sy tsy hanan-tsaina handrava.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana