ZAKAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAKAKO




Zakako irery
ny zava-bita,
na feno fery
eto no mita.



Zakako ihany
rehefa tianao,
misy tomany
tsy te handao.



Zakako foana
ao anaty anio,
na dia ahoana
fa tsy siosio.



Zakako mora,
na tsy takatra
izany isan'ora
no hafatra !...




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
492 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121