ZATRA MIADY IRERY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZATRA MIADY IRERY




Zatra miady irery
ny saina rehefa voa
ka mitombo hery
anio rehefa mifoha.



Zatra miady irery
ny jaly nampahory
ka tsy afa-mijery
azy ireny any akory.



Zatra miady irery
ny kiry izay mijoro,
na dia rako-pery
no mba azo atoro.



Zatra miady irery
ny sedra nodiavina
ka tsy mamery
rehefa tsy nolavina.




Fredy JAOFERA




.
--------
Lien:
526 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113